Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano-Analamanga: kandidà roa no mety hifaninana

Herinandro mahery kely eo sisa, hikatona tanteraka ny fandraisana ny antontan-taratasy, ho an’ireo maniry hirotsaka hofidina, eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy kandidà nandefa izany ao anatin’ny tranonkalam-pifandraisan’ny ligin’Analamanga. Rehefa nanontaniana ny filoha am-perinasa, Andriamanjatoarimanana Tojohanitra, tsy maheno mihitsy anarana ny tenany hatramin’izao, ary mikasa hanontany ny eny anivon’ny federasiona izy ireo ny amin’ny tokony hatao raha toa ka tsy misy kandidà amin’ny fahataperan’ny fe-potoana fandraisana antontan-taratasy. Ankilany, rehefa nanontany ny federasiona izahay, nilaza izy ireo fa misy anarana kandidà roa mivezivezy any ho any, mikasa hirotsaka. Raha sanatria anefa, hoy hatrany ny eo anivon’ny federasiona ka tsy nirotsaka izy ireo, tsy maintsy haverina amin’ny fotoana manaraka indray ny fifidianana. Tsiahivina fa amin’ity faran’ny volana ity no kasiana hanaovana izany fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga izany. Efa nisokatra tamin’ny fiandohan’ny taona teo ny fiantsoana sy ny fametrahana antontan-taratasy ho an’ireo kandidà.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.