Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolontsaina sy zavakanto taona 2021: samy mbola mifampijerijery ny rehetra

Kolontsaina sy zavakanto taona 2021: samy mbola mifampijerijery ny rehetra

 Volana maro, niaina tao anaty fihibohana ny kolontsaina sy ny zavakanto maneran-tany. Toraka izany koa ny eto Madagasikara. Nihantona avokoa ny fandaharam-potoana efa novolavolaina ela…

… Voalohandohan’ny taona tahaka izao, efa zary mampahafantatra ny fandaharam-potoany ny ankamaroan’ny mpanakanto. Tahaka izany ihany koa ireo fikambanana maro isan-tsokajiny. Ao ny milaza fa hanatevina sy hanatsara ny vita teo aloha. Ankehitriny, efa misasaka ny volana janoary, mbola mifampijerijery avokoa ny rehetra (mpanakanto, mpikarakara hetsika, trano fandraisana hetsika, fikambanana misahana raharahan-kolontsaina…). Hanao ahoana ny ho fivoaran’ity valanaretina ity? Miankina indrindra amin’ny valin’io fanontaniana io ny ahafahan’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto mihetsika sy manao zavatra.

Misy ihany anefa ireo tsy hanova fa hitazona hatrany ny fotoana hanatanterahana ireo hetsika efa fanaony isan-taona. Ny ankamaroan’izy ireny, hotanterahina any anivon’ity taona 2021 ity avokoa (volana jona, jolay, aogositra). Nanterin’izy ireny anefa fa fotoana ihany io fa miankina indrindra amin’ny fivoaran’ny valanaretina Coronavirus sy ny fepetra mifanaraka amin’izany ny ho fanatanterahana hetsika na tsia.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.