Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsipiky ny teny malagasy: mila hamaroina ny boky…

Fitsipiky ny teny malagasy: mila hamaroina ny boky…

Boky mirakitra tononkalo, tantara, sns, tazana etsy sy eroa… Fa ny boky manazava ny fitsipiky ny teny malagasy, zara raha misy. Anisan’ny mampiaina sy mampivelatra ny teny anefa ny fananany fitsipika arahina. Na ireo fikarohana momba ny fitsipi-pitenenana malagasy efa vitan’ireo teo aloha aza, mbola vitsy ny boky mampahafantatra azy ireny. Na tsy mbola feno tanteraka aza, azo lazaina fa zava-dehibe ireny fikarohana ireny ka tokony homena lanja amin’ny alalan’ny fampiasana azy. Tsy tokony hipetraka na hapetraka any amin’ny toerana voatokana, toy ny trano famakiam-boky, irery ihany fa mila aely marobe ny boky mirakitra ny fitsipi-pitenenana malagasy hisorohana ny samy manoratra izay heveriny fa marina.

… Mila tohizana ihany koa anefa ny fikarohana efa vita hatramin’izay. Mbola lesoka iray hafa ihany koa io. Toa tsy mahasarika loatra ny mpampianatra sy ny mpikaroka ny manompana ny asany amin’ny fitsipi-panoratana. Mbola asa goavana miandry azy ireo ihany koa anefa ny famohazana ireo teny malagasy tsy ampiasaina firy intsony!

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.