Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Coronavirus karazany vaovao: hita amin’ny firenena telo

Firenena telo no fantatra fa nahitana karazany hafa amin’ny tsimokaretina Coronavirus: i Royaume-Uni, i Afrika Atsimo ary i Bezila amin’izao fotoana izao. 50 ny toerana voatily fa misy ilay kazarany nipoitra avy any Angletera ary 20 hafa ho an’ilay sokajy hita tany Afrika Atsimo. Efa nivory maika ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) nidinika ny momba ireo karazany vaovao ireo. Araka ny fanadihadian’ny mpikaroka, mora mifindra kokoa ireto karazany vao hita.

Ny volana oktobra lasa teo no voatily tany Afrika Atsimo ity karazana tsimokaretina Coronavirus vaovao ity ary efa nanamarika ny laboratoara namorona ny BioNTech et Pfizer fa afaka miaro tsara io sokajy vaovao io.

Ny 1 janoary lasa teo, nahatratra 64 790 ny olona namoy ny ainy ary 2 280 488 ireo efa sitrana ary 2 728 602 ny tranga voatily, araka ny filazan’ny foibe misahana ny fiarovana sy fanaraha-maso ny aretina aty Afrika. I Afrika Atsimo no manana marary betsaka; 1 057 161 ary  28 469 ny maty.

Nangonin’iVonjy

 

Les commentaires sont fermées.