
Hotanterahina rahampitso alahady ny famaranana hiadiana ny “Super coupe d’Espagne”, taranja baolina kitra. Hiady izany ny FC Barcelone sy ny Athletic Bilbao. Nahagaga ny rehetra tamin’ity ny nihintsanan’ny Real de Madrid, izay lavon’ny Bilbao, tamin’ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny manasa-dalana, notanterahina ny alakamisy lasa teo. Efa nitarika 2 no ho 0 ny Bilbao vao nahafaty ny baolina tokana ho azy i Benzema.
Ity no faharesena voalohany azon’i Zinedine Zidane tamin’ireo lalao sivy vitany nanomboka ny 1 desambra lasa teo. Tsiahivina fa votsotra eo am-pelatanan-dry zareo Madrilènes indray izany ity “Super coupe d’Espagne” ity, izay azony tamin’ny taon-dasa. Heverin’ny rehetra kosa fa hanantombo ny FC Barcelone, amin’ity famaranana ity, izay ivondronan’ireo mpilalao be traikefa ao aminy.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.