Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Orange pro league 2021»: hifampitana ny Five FC sy ny Jet Kintana

Kitra – «Orange pro league 2021»: hifampitana ny Five FC sy ny Jet Kintana

Hiditra amin’ny andro faharoa, amin’ity asabotsy 16 sy rahampitso alahady 17 janoary ity, ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra “Orange Pro League 2021”. Hangotraka avokoa ny fihaonana amin’izany.

Anisan’ny fihaonana hitana ny sain’ny besinimaro, indrindra fa ireo mpankafy ny baolina kitra, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Orange Pro League 2021”. Goavana amin’ireny ny fifandonan’ny Five FC Analamanga sy ny Jet  Kintana Itasy, ho an’ny kaonferansy avaratra. Lalao hotanterahina eny amin’ny kianja By Pass, amin’ity asabotsy ity.

Adin’ny klioba samy mpandresy ireo. Hangotraka tokoa satria ho tsara toerana izay tafavoaka mpandresy. Sambany vao hifandona ny roa tonta satria ekipa sambany vao tonga eo amin’izao sehatra izao ny Five FC, izay niakatra avy any amin’ny D2. Nahavita dingana goavana satria nanintsana ny Fosa Jr Boeny, tao an-kianjany, nandritra ny andro voalohany.

Manana ireo mpilalao tanora sy kinga ary mahay.

Etsy ankilany, klioba ifangaroan’ireo mpilalao vaovao sy efa zatra ady kosa ny Jet Kintana. Hita ao amin’ity ekipan’Itasy ity ny be traikefa sy ny matanjaka. Nanaporofo izany ny nandavoany ny Tia Kitra Atsinanana.

Ankoatra izay, hifanehatra ihany koa ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Fosa Jr Boeny. Fihaonan’ny samy resy kosa indray ny azy ireo. Hafana vay io lalao io satria ho ratsy toerana izay resy eo. Samy hiezaka hitady isa 3 avy ny roa tonta, amin’ity.

 

Tompondaka

 

 

Ireo fandaharan-dalao andro faharoa  

Kaonferansy avaratra

Asabotsy 16 janoary

Kianja Elgeco By-Pass

12:00 – Five FC vs Jet Kintana

02:30 – Cosfa vs Fosa Jr

Alahady 17 janoary

Kianja Stadium Barikadimy

02:30 – Tia Kitra vs Elgeco Plus

Kaonferansy atsimo

Alahady 17 janoary

Kianja Elgeco By-Pass

12:00 – Uscafoot vs 3FB Toliara

02:30 –  Ajesaia vs AS Adema

Kianja Ampasambazaha

02:30 – Zanakala FC vs CS-DFC

 

 

 

 

 

Les commentaires sont fermées.