Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-N1A 2020: foana ny lanonam-panokafana anio

Hanomboka anio, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, efitrano kely sy efitrano lehibe, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A lahy sy vavy 2020. Efa vonona avokoa ny ekipa tsirairay avy hiatrika ity fifaninanana ity. Ho fisorohana ny fitangoronana be loatra sy fitandroana ny fahasalamana anefa, nofoanana ny lanonam-panokafana saika hatao anio, amin’ny 4 ora hariva. Tsy misy miova kosa ny fandaharan-dalao rehetra ho amin’ny anio sy rahampitso alahady, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny federasiona. Hisy ny “cure” CVO+ ny mpandray anjara rehetra amin’ny N1A izay mitotaly 450 olona eo, izay fiaraha-miasan’ny federasiona, hiarahana amin’ny Talen’ny Pharma Malagasy, Raoelina Tiana. Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana izay hatrany, hisy fepetra maro samihafa tsy maintsy arahina mandritra ny fifaninanana. Efa misy ny komisiona manokana hiandraikitra ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana ireo ary tsy hilefitra amin’izay mandika izany fepetra izany izy ireo.

Mi.Raz

 

 

Les commentaires sont fermées.