Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaovaon’ny kitra

Vaovaon’ny kitra

 Frantsa: Nahazo ny «Trophée des champions» i Mathyas

Norombahin’ny Paris St Germain ny «Trophée des champions», tao Frantsa. Resiny tamin’ny isa 2 no ho 1, ny alarobia lasa teo, ny Olympique de Marseille. Baolina tafiditr’i Mauro Icardi sy ny an’i Neymar Jr. Dimitri Payet kosa no nahafaty ny baolina tokana ho an’ny Marseillais. Anisan’ireo nibata ny amboara sy nahazo medaly ihany koa Randriamamy Mathyas, mpiandry tsatoby fahatelon’ny PSG, sady mpilalao fiandry an’ny Barea de Madagascar. Marihina fa izy izany no mpiandry tsatoby malagasy voalohany, nahazo io amboara io. Fanimpolony kosa no nahazoan’ny PSG io “Trophée des champions” io.

Fampodiana an’i Gôly Be

Ho tonga amin’ny 23 janoary ny razana

Noho ny ezaka nataon’ireo mpilalao fahiny nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy (Scorpions, Club M, Barea de Madagascar) sy ireo mpitia baolina kitra, niaraka tamin’ireo mpanakanto nanao tsipaipaika, feno ny vola ilaina amin’ny fampodiana ny nofo mangatsiakan-dRafalimanana Ferdinand (Gôly Be) an-tanindrazana. Teo ihany koa ny tolo-tanana, nataon’ireo mpilalao malagasy, mipetraka any Frantsa, nanampiana ny vola voangona teto Madagasikara. Araka izany, ho tonga amin’ny 23 janoary ho avy izao ny razana ary efa vita ny famandrihana amin’ny fiaramanidina. Tsiahivina fa halevina any Mandritsara, faritra Sofia, i Gôly Be.

 

Nangonin’i Tompondaka

 

 

Les commentaires sont fermées.