Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saika isan-kerinandro: nitrangana haintrano indray tao Toamasina

Misesisesy ny haintrano eto Toamasina. Tamin’ity 2021 ity, haintrano fahatelo ity nitranga tao Morarano, omaly, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, ity. Lelan’afo mijoalajoala no namoha ireo fokonolona ao an-toerana, izay niezaka hamoaka ireo entana sy niaro ny afo tsy hiitatra. Noho ny firehetana, trano miisa 18 tafo kila forehitra ary olona  100 mahery tsy manan-kialofana. Nandritra ny fanadihadiana natao teny an-toerana no nahalalana fa niainga avy tamin’ny tranon’ akoho fakana nofo iray ny afo. Nandoro ireo taimbankona avy nodioviny tamin’ilay tranon’akoho ny raim-pianakaviana iray ka niitatra ny afo ary tsy voafehiny intsony. Nahazo trano vita amin’ny ravim-pontsy nifanila taminy ny afo ka nandoro ireo trano manodidina. Tonga nifanome tanana tamin’ny fokonolona ny mpamonjy voina avy ao amin’ny kaominin’i Toamasina ka voafehy ny afo adiny iray taty aorian’ny firehetana.


Sajo

Les commentaires sont fermées.