Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: fotodrafitrasa maro hatsangan’ny Ekar-Diosezy

Toamasina: fotodrafitrasa maro hatsangan’ny Ekar-Diosezy

Lanonana ara-panjakana lehibe hotarihin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, andaniny, ary ny lehiben’ny Ekar, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, sy ireo mpino katolika ankilany, hanotrona ny fametrahana ny vatofototr’ireo asa goavana sy fotondrafitrasa maro haorin’ny fiangonana katolika eto Toamasina, ny16 janoary ho avy izao, saingy ho an’ny olon-drehetra ny hisitraka azy.

Voalohany amin’izany ny fanorenana seminera lehibe etsy Analamalotra, lalam-pirenena fahadimy, hatokana ho fianarana sy ho fampiofanana ireo tanora misafidy ny hanokan-tena ho amin’ny fanapariahana ny tenin’Andriamanitra. Anisan’izany ny pretra sy ny relijiozy. Eo koa ny fanorenana tobim-pahasalamana sy ny fanorenana hopitaly lehibe. Ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana izay samy etsy Betainomby avokoa. Ankoatra ireo ny fanokafana ny fahitalavitra RTCM, ao amin’ny foiben-toeran’ny radio RCM Androranga ihany.

Hodinihina ihany koa ny hametrahana sekoly sy toeram-pitsaboana ao Mangabe izay tsiahivina fa vao nosokafana ho distrika fanampiny any amin’ny faritra Atsinanana.

Sajo

Les commentaires sont fermées.