Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nahazoany antapitrisany maro:  MD ireo nisoloky ho dadibe sy kalanoro

Nahazoany antapitrisany maro:  MD ireo nisoloky ho dadibe sy kalanoro

Naiditra vonjimaika am-ponja (MD) ao Antsiranana ireo olona efatra mianadahy voarohirohy amina raharaha fisolokiana avolenta amin’ny alalan’ny dadibe sy kalanoro izay miresaka amin’olona ary tereny sy reseny lahatra hanaraka ny zavatra lazaina satria afaka manome volabe. Voalazan’ny zandary fa efa mahatratra 10 tapitrisa Ar mahery ny vola efa azon’izy ireo tamin’ireo voasoloky. Niainga avy amin’ny fitoriana nataon’olona maromaro teo anivon’ny sampam-pikarohana momba ny ady heloka bevava eo anivon’ny Zandarimaria ao Antsiranana ny nahafahan’ny zandary nanao fikarohana rehetra momba ity fisolokiana avolenta ity. Matipaika ny fanaovan’ireo mpisoloky ireto, mila tantely, lovia fotsy ary mandeha mangataka any Nosy Lonjy, amin’io fotoana io, sady mody ampahitan’izy ireo vola mifono lamba mena fa tsy azo kitihina kanjo “carnet” fonosina lamba mena ilay izy fa ataony misy fonosana 10 000 Ar eo amboniny. Rehefa vita izany, asainy mametraka volabe ilay olona solokina ka izy ireo no manondro ny toerana hametrahana ny vola.

J.C

Les commentaires sont fermées.