Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano-Analamanga: raikitra ny fifidianana

Hotanterahina amin’ny faran’ity volana ity ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Fifidianana efa tokony ho vita ny taona 2020 teo izany, saingy nahemotra noho ny fisian’ny Covid-19. Tapa-bolana mialoha ny fifidianana, hatreto, tsy mbola nisy kandidà nametraka antontan-taratsiny, raha ny vaovao voaray. Tamin’ny fiandohan’ny taona teo no efa nisokatra ny fandraisana izany, ary hifarana ny 26 janoary izao, izay alefa amin’ny adiresy mailaka ny ligin’Analamanga. Azo antoka, tsy maintsy any amin’ny faramparany vao mety hisy na hifarombaka hanatitra sy handefa izany ireo maniry hirotsaka hifaninana, izay fomba efa mahazatra ny tontolon’ny fanatanjahantena ny toy izany. Matetika, saika mifampiandry ary mijery izay kandidà mandrotsaka voalohany aloha ny hafa vao mirotsaka na tsia. Mahakasika izay hatrany, mbola mitazona ny heviny ny filoha am-perinasa, Andriamanjatoarimanana Tojohanitra, ny amin’ny tsy hirotsahany intsony ho mpifaninana. Efa nambarany hatrany fa noho ny asa sy andraikitra maro sahaniny ny anton’izany. Miantso izay olona tena tia ity taranja ity kosa anefa izy hiditra sy hilatsaka satria mila izany ity taranja lomano eto Analamanga ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.