Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lasa ny vola 2 400 000 Ar: tratran’ny polisin’ny Sag ireo jiolahy mpamaky trano

Lasa ny vola 2 400 000 Ar: tratran’ny polisin’ny Sag ireo jiolahy mpamaky trano

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ka naiditra vonjimaika am-ponja ireo jiolahy efatra voarohirohy ho tompon’antoka amina vaky trano teny amin’ny faritra Anosipatrana iny. Saron’ny polisin’ny Sag ireto jiolahy ireto tamin’io fotoana io. Avy nanao ny asa ratsiny ireto jiolahy ireto no nifanena tamin’ireo polisy nanao fisafoana teny amin’iny faritra Anosipatrana iny. Vao nahita ireo polisy ireo ry zalahy, somary hafahafa fihetsika. Nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo ka niroso tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy. Tratra tany amin’izy ireo ny fitaovana nampiasain’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny, toy ny “barre à pince”, ny antsilava, ny vatobe ary ny jiro fanao am-paosy. Rehefa nohamarinin’ny tompon’ny trano vaky izy efa-dahy ireto, voamarina fa tena izy ireo tokoa ny namaky ny tranon’ireto fianakaviana niharam-boina ireto. Lasan’ireo jiolahy nandritra ity fanafihana ity ny fahitalavitra fisaka iray, ny finday miisa enina, ny peratra volamena miisa efatra, ny rojo volafotsy iray ary ny lelavola mitentina 2 400 000 Ar. Niaiky ny heloka vitany ireto jiolahy ireto nandritra fanadihadiana nataon’ny polisy. Isan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny eny Anosipatrana sy ny manodidina iny ry zalahy ireto, raha ny fanazavan’ny polisy hatrany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.