Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any ivelany: hifindra any Irlande Atsimo i Hery Bastien

Kitra any ivelany: hifindra any Irlande Atsimo i Hery Bastien

Efa ao anatin’ny famaramparanana ny hilalaovany ao amin’ny klioban’ny Linfield FC any Irlande Avaratra, ankehitriny, ilay Malagasy, i Hery Bastien. Tsy ho anisan’ireo hanavao intsony ny fifanarahany amin’ity klioba ity izy ary efa nanambara izany i Mc Givern, filohan’ny klioba.

Raha ny fantatra, efa betsaka sahady ireo ekipa mitsiriritra azy ka raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany, hiampita ao Irlande Atsimo, ao Dublin, i Hery Bastien, amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Hilalao ao amin’ny Bohemians St Patricks Athletic Club izy, klioba D1. Na eo aza izany, miteraka resabe amin’ny gazety any an-toerana ity mety handehanan’i Hery Bastien any Irlande Atsimo ity satria hatreto, firenena tsy mifankahazo mihitsy ny roa tonta, na samy Irlande aza, noho ny resaka fivavahana sy ny tantara.

Ankoatra izay, efa maro ihany koa ireo klioba any Angletera sy Frantsa, mihevitra ny haka azy.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.