Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho hentitra ny fanaraha-mason’ny CUA: raikitra ny « Opération taxi-be » hanasaziana ireo mihoa-pefy

Ho hentitra ny fanaraha-mason’ny CUA: raikitra ny « Opération taxi-be » hanasaziana ireo mihoa-pefy

Hihamafy ny sazy. Nambaran’ny tale misahana ny fitaterana sy ny fifamezivezena an-dRenivohitra eo anivon’ny CUA, i Bemana Vigor, fa   hanomboka indray amin’ny herinandro ho avy izao ny “Opération taxi-be”.

Hisy ny fivoriambe hiarahana amin’ireo komity stratejika “Comité stratégique” eo anivon’ny mpitatitra ahafahana mamaritra ireo fepetra sy fitsipika. Tsy maintsy arahina sy ifampitondrana indray mandritra ity taona 2021 ity izany, araka ny nambarany.

Tsy azo ampiasaina ny seza volamena…

Nohitsiny fa tsy azo leferina ny tsy fanarahana fepetra ara-pahasalamana. Mbola anatin’ny ady amin’ny Covid-19 rahateo isika izao. “Efa misy ny sazy, miandry ireo taxi-be mbola mampiasa “strapontin”na ny seza volamena. Tahaka izany koa ireo mitondra mpandeha tsy manao arovava orona. Efa fantatr’ireo mpitatitra sy ireo mpamily avokoa izany fepetra izany”, hoy ihany izy.

Notsiahiviny koa ny fifanarahan’ny kaominina sy ireo mpitatitra ny amin’ny hiantohan’ny taxi-be “gel disinfectant” sy ny fahadiovan’ny fiara entiny. “Tokony ho fitaratra hatrany ny fitaterana eto an-dRenivohitra taorian’ireo fampiofanana momba ireo torolalana ampiharana ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana CMH, indrindra fa amin’izao vanim-potoana isian’ny valanaretina izao. Tsy sanatria ny fitaterana indray no zary lasa fototra hiparitahan’ny valanaretina”, hoy ihany ny eo anivon’ny CUA.

Hametrahana GPS avokoa ireo taxi-be

Hametrahana GPS avokoa ireo taxi-be ary efa nanomboka izany ho an’ireo mpitatitra. Miisa 600 eo ireo fiara, efa misy izany amin’izao fotoana izao. “Natao izany hahafahana misoroka ny fihoaram-pefy sy ny fahazaran-dratsin’ireo mpamily, mihodina an-dalana na manary an-dalana mpandeha. Eo koa ireo tsy manaja ny fiantsonana “arrêt bus”. Efa misy koa ny ivontoerana fanaraha-maso izany ato amin’ny CUA, mijery ny lalan’ny fiara, ny lalam-bahoaka sy ny fifamoivoizana”, hoy ihany izy.

Etsy andaniny, hamafisina ny fanaraha-maso sy ny fampiharana lalàna, ny fandaminana sy ny fanadiovana ny lalam-bahoaka, ny fampanajana ireo fepetra ara-pahasalamana.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.