Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fivelaran’ny kolontsaina malagasy: tsy mitondra mankaiza ny hasarotam-piaro fotsiny

Fivelaran’ny kolontsaina malagasy: tsy mitondra mankaiza ny hasarotam-piaro fotsiny

Manan-karena zavakanto sy kolontsaina, hono, ny Malagasy sy i Madagasikara. Raha atao indray mijery, marina izany. Na mianavaratra na mianatsimo na miatsinanana na mianandrefana na mijanona eto afovoan-tany, samy ahitana sy ahenoana kolontsaina sy zavakanto mampitolagaga avokoa. Nitondra nankaiza anefa ireny? Firy amin’ireo manan-talenta no nakarin’izany talenta izany? Nigoka ny mamy tamin’ny fananany haren’ny kolontsaina ve ny Malagasy sy i Madagasikara?

Tsy ampy intsony ny hasarotam-piaro fotsiny tsy arahina asa. Mila rafitra sy paikady mazava vao mety ho voaporofo fa manan-karena ny kolontsaina malagasy. Anisan’izany ny fanehoana ny tena fototra, ny fahaiza-mandresy lahatra mpanjifa, ny fahaiza-miatrika tsena (tolotra sy tinady », ny fanoritana mazava lalan-kaleha sy tanjona tian-kotratrarina, sns. Mety tsy ampy, angamba, ireo matoa mbola variana amin’ny fanandratana kolontsaina avy any ivelany ny Malagasy sasany.

Ny mahavariana, tsy mety ho tsapan’ny Malagasy loatra ny mampanan-karena ny kolontsainy raha tsy efa misy tranga manetsika ny hambom-pony. Mbola endriky ny hasarotam-piaro ihany izany!

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.