Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanabeazana: nahazo aron’akanjo ny any Fandriana

Fanabeazana: nahazo aron’akanjo ny any Fandriana

Nanomboka, ny herinandro teo, ny fiazarana aron’akanjo analiny, avy amin’ny filoham-pirenena ho an’ireo mpianatra eny amin’ny EPP ao amin’ny Cisco Fandriana. Nandray an-tanana ny fitaterana izany any an-toerana ny depiote Rakotomalala Dina rehefa nalaina teo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Noraisiny an-tanana koa ny fitsinjarana izany ho an’ireo mpianatra any an-toerana. Anisan’ny nisitraka izany ireo mpianatra 1 139 manerana ny kaominina 15 mandrafitra ity Cisco Fandriana. Nankasitraka izany avokoa ny talen-tsekoly sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary samy velom-pisaorana amin’ny fanatanterahana ny veliranao fahefatra momba ny fanabeazana.

Etsy andaniny, hanohy amin’ny fitsinjarana ireo aron’akanjo ireo amin’ireo mbola tsy nahazo izany any amin’ny kaominina 14 hafa ny depiote sy ireo mpiara-miasa aminy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.