Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampodiana an’i Goly-Be: nanao hetsika tolo-tanana ny mpanakanto

Fampodiana an’i Goly-Be: nanao hetsika tolo-tanana ny mpanakanto

Kolontsaina anisan’ny mampivaka ny Malagasy ny firaisankina. Rariny raha maneho izany amin’ny fampodiana ny nofo mangatsiakan’i Goly-Be ny mpanakanto. Mifanindran-dalana rahateo ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena….

Tontosa omaly alarobia 13 janoary ny hetsika “Tolo-tanana ho an’i Goly-Be” na Rafalimanana Ferdinand, tetsy amin’ny Le Glacier Analakely. Mpanakanto maro no nifarimbona tamin’ity hetsika ity ho fanampiana ny fianakaviana amin’ny fampodiana ny nofo mangatsiakan’i Goly-Be. Nifanotrona sy nizara ny talentany tamin’izany ry Gothlieb, Bruno Djaozara, Taa-Tence, Mamy Gotso, Barinjaka, Din Rotsaka, Jaojoby, Lianah, Malala, Dodol, Lego, Samoela, Kiaka, Heritiana, Ndondolah, Ariane, Ronaldo, Christian LDV, Angelo Mangaliba, Dah Mama, Arnold, Oblack. Araka ny fantatra moa dia nodimandry, ny talata 29 desambra 2020 teo i Goly-Be. Ao Bordeaux, Frantsa ny nofo mangatsiakany. Manampikasana ny hampody azy an-tanindrazana ny fianakaviana, saingy tsy ampy ny eo amin’ny enti-manana sy ny fikarakarana ny taratasy rehetra, ary volabe be tokoa no ilaina hoenti-manatantanteraka ny fitondrana azy ho aty Madagasikara. Fanirian’i Goly-Be, fony fahavelony ny hitondrana azy any Mandritsara, faritra Sofia, araka ny loharanombaovao. Efa maro ireo karazan’olona nanao ny fanampiana tamin’ny alalan’ny tsipaipaika, anisan’izany ny eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra, raha tsy hilaza afa-tsy ry Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar sy ny fianakaviany, teo koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny maro isan-karazany. Tamin’ity omaly ity kosa dia anjaran’ny mpisehatra ara-kolontsaina indray no nanao izany, tamin’ny alalan’ny seho.

Narilala

 

Les commentaires sont fermées.