Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Doro ala be indrindra: maherin’ny 67 000 ny afo teto Madagasikara ny taona 2020

Doro ala be indrindra: maherin’ny 67 000 ny afo teto Madagasikara ny taona 2020

Ao anatin’ireo firenena sokajina ho tena mpanimba ala i Madagasikara, araka ny tatitry ny WWF. Ny taona 2020 no tena nahitana toerana misy afo anaty ala (tebok’afo) be indrindra teto amintsika.

Namoaka tatitra ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana WWF, ny 13 janoary teo, mikasika ny fahasimban’ny ala maneran-tany. Fantatra fa misy 24 ny toerana tena mirongatra ny fanimbana ala eto an-tany ka ao anatin’izany i Madagasikara. Toerana sokajina ho ahitana fanapotehana ala sy/na tandindonin-doza ny ankamaroan’ny velaran’ny ala sisa tavela. Araka ity tatitra ity, nahatratra 700 000 ha ny ala ripaka eto Madagasikara nanomboka ny taona 2004 hatramin’ny taona 2017. Faritra tena nahitana izany ny tapany atsinanana sy andrefan’ny Nosy. Nahatratra 1,3 tapitrisa ha ny potika eto amintsika nanomboka ny taona 2002 hatramin’ny taona 2020.

Voalaza fa novain’ny mpandoro ala hatao tanimboly madinika ny tena antony nanapotehana sy nandoroana ny ala, eo koa ny tavy (fambolena mifindrafindra), ny fanaovana saribao, ny fanaovana kitay. Manampy ireo ny afo niitatra satria tsy voafehy sy ny doro tanety.

Raha ny antontanisa ofisialy, niisa 67 351 ny tebok’afo anaty ala hita tamin’ny alalan’ny sary avy amin’ny zanabolana, ny taona 2020. Ambony indrindra miohatra amin’ny tarehimarika hita tany aloha io tarehimarika io (2017, 2018, 2019), nahitana fitomboana +11% mitaha ny tamin’ny taona 2019. Mitotaly 386 379 kosa ny tebok’afo manontolo hitan’ny minisitera, manerana an’i Madagasikara, ka ao anatin’izany ny faritra tsy misy ala.

Manazava ny WWF fa tena ahitana ireo faritra 24 mirongatra ny fanimbana ny ala toa an’i Madagasikara ny any Amerika Latina, ny tapany atsimon’i Afrika, i Azia Atsimo Atsinanana ary i Oseania. Maherin’ny 47 tapitrisa ha ny ala ringana teo anelanelan’ny taona 2004 sy ny 2017, mifanahantsahana amin’ny velaran-tanin’i Maraoka manontolo.

 

Vahaolana eny ifotony sy ankapobeny

Vahaolana aroson’ny WWF hanajanonana ny fanimbana sy ny doro ala ny fanampiana vola ny fambolena tsy maharitra, ilaina amin’ny varotra. Mila iadiana sy foanana ny kolikoly. Ajanona ny fanangonana velaran-tany tsy mitondra soa ho an’ny daholobe. Mila sazina mafy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ala.

Tokony hamafisina ny fampandraisana andraikitra ny olona eny ifotony sy ny ahatsapan’izy ireo fa fananan’ny besinimaro ny ala ka mila arovana sy atao tsara tantana. Mila hamafisina sy hitarina ny lalàna mikasika ny fananan-tany ho an’ny mponina eny ifotony, mitantana ny ala. Atsangana ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina, hitantanana maharitra ny ala. Ampandraisina andrakitra ny sehatra samihafa ao amin’ny governemanta, mba hampirindra ny asa sy hitera-boka-tsoa mivaingana.

Mila apetraka koa ny drafitra maharitra mandritra ny 10 ny Firenena mikambana hanarenana ny firindran’ny tontolo mananaina maneran-tany.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.