Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CEPE, BEPC, bakalorea 2020: ankasitrahin’ny filoha ireo mpianatra mendrika

CEPE, BEPC, bakalorea 2020: ankasitrahin’ny filoha ireo mpianatra mendrika

Efa nigadona eto Antananarivo, omaly, ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC ary bakalorea farany teo. Hotoloran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mari-pankasitrahana izy ireo ho fankasitrahana ny ezaka nataony sy ho fampirisihana azy ireo hilofo hatrany amin’ny fianarana.

66 ireo mpianatra mendrika avy amin’ny faritra 22 manerana ny Nosy. 40 kosa ireo mpampianatra hotolorana fankasitrahana noho ny fanandratana avo ny lentan’ny fanabeazana.

Haharitra telo andro izy ireo no hijanona eto Antananarivo. Hitsidika ireo toerana manan-tantara izy amin’izany toy ny Rova, ny lapan’ny Tanàna etsy Analakely, ny oniversiten’Antananarivo, ny valan-javaboahary Tsimbazaza. Hitsidika orinasa vaventy ihany koa. Ankoatra izany ny fijerena sarimihetsika ao amin’ny Plaza Ampefiloha sy ny hetsika kolontsaina samihafa.

Tafiditra ao anatin’ny hetsika « Sangany sy voafehiko » ity fankasitrahana ny mpianatra mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana ity.

Tanjona ny hanomezana risi-po ireo mpianatra hahazoana vokatra tsara sy hahomby hatrany. Eo koa ny fampirisihana ireo mpampianatra hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.