Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-N1A 2020: nanomboka omaly ny fanazarantena

Basikety-N1A 2020: nanomboka omaly ny fanazarantena

Mitohy hatrany ny fiomanana ho an’ny ekipa sy ny mpikarakara, amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A lahy sy vavy, hanomboka ny 16 janoary izao. Efa nanomboka omaly ny fanazarantena etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Efa samy manana ny ora fikotranany ny ekipa tsirairay, hatramin’ny rahampitso zoma 15 janoary maraina. Fanadiovana ny efitrano filalaovana kosa ny hatao ny zoma hariva, raha ny fandaminana avy amin’ny mpikarakara hatrany. Araka ny fandaharam-potoana omaly, ry zareo Cosmos no nikotrana tao amin’ny efitrano kely, ary ny ASB kosa, tao amin’ny efitrano lehibe. Nambaran’ireo mpilalao teny an-toerana fa sarotsarotra ny niaina iny taona 2020 iny kanefa vonona izy ireo amin’ity fifaninanana N1A ity. “Na teo aza ny tsy fisian’ny lalao fotoana elaela, azo lazaina ho ampy kosa ny fanazarantena satria tsy nijanona ny kotrana”, hoy hatrany ny fanazavan’ireo mpilalao.

Ho an’ny BCEst Atsimo Andrefana, hanainga anio any Toliara ireo mpilalao. Nambaran’ny mpitarika fa vonona tanteraka ity ekipa ity satria ampy tsara ny fanomanana ho azy ireo. Hanampy tosika ny “seniors” vehivavy ihany koa ny mpilalao U18 ka vao mainka hampitombo ny herijika ho an’ity ekipa ity izany.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.