Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Avadika ho politika avokoa…

Ambadika politika? Fiteny izay rehefa misy zava-mitranga tsy mazava, na ataon’ny mpitondra na ny mpanohitra; indraindray, zary fialana na fanamarinan-tena aza. Politika avokoa ny zava-drehetra? Na lasa politika ho azy rehefa roritina ho amin’izany… Avy eo, toa mety sy azo ekena avokoa izay lazaina sy atao rehetra?

Fialokalofana ny politika amin’izany? Heverina sy handresen-dahatra ny hafa ho antony politika hatrany izay rehetra tsy mety na fandikan-dalàna ataon’ny mpanao politika. Tsy izany ve no anisan’ny mahatonga ny tsimatimanota? Na lafiny sosialim-bahoaka faran’izay tsotra izao aza, ohatra, lazaina ho ambadika politika.

Eny, na ny haintany vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro aza, ohatra, mety mbola havadiky ny sasany ho politika, sanatria? Ny toy izany no anisan’ny mahatofoka ny ankamaroan’ny olona amin’ny politika sy ny mpilalao politika. Tena mila fanovana amin’izay, raha tiana ny tena hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena.

R.Nd.

 

 

Les commentaires sont fermées.