Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpivarotra 740 hampidirina etsy Behoririka

Mpivarotra 740 hampidirina etsy Behoririka

Miroso tanteraka ny asa fanamboarana ny fotodrafitsara amin’ny alalan’ilay tsena lehibe etsy Behoririka. Mahazaka mpivarotra hatrany amin’ny 740 ny ao anatiny. Mahatratra 47 kosa ireo mpivarotra zakan’ny toerana ety ivelany. “Mahafaly ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny mizara amintsika fa tena mandroso ny asa fanamboarana izany. Laharam-pahamehana ho an’ny CUA ny manampy sy manohana ireo mpivarotra madinika, anisan’ny mamelona tokantrano maro. Mila atao ara-dalàna sy alamina anefa izany”, hoy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina.

Nanteriny fa ny fanarahan-dalàna ihany no ahafahana manana fiaraha-monina mandroso, mirindra sy milamina.

Midika izany fa miezaka mandamina sy mandrindra ny momba ireo mpivarotra eto an-dRenivohitra ny eo anivon’ny CUA amin’izao fotoana izao. Mbola ho avy koa ny fanorenana tsena sy ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa efa misy ho an’ny mpivarotra. Mandeha tsikelikely ny fandaminana izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.