Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Misaona ny fianakaviamben’ny Foloalindahy: nodimandry ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka

Misaona ny fianakaviamben’ny Foloalindahy: nodimandry ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka

Fanamarihana tsotsotra ihany ny nentin’ny Foloalindahy nankalaza ny Andron’ny manamboninahitra omaly. Ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, nisy ny fanolorana ny gisa ho an’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard. Nanamafy ny fijoroana hatrany ho tandroka aron’ny vozona hiaro ny vahoaka sy ny fananany ho fitsinjovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena, araka ny nambarany. Miarahaba ny manamboninahitry ny Foloalindahy rehetra manerana an’i Madagasikara izy sady nanamafy fa ny andro toy izao izay manamarika ny asa rehetra efa notanterahina ary mbola hotanterahina eo amin’ny fanovana ny rafitry ny Tafika. Nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviana sy ny fankaherezana ho an’ny Foloalindahy amin’izao fahabangana misy eo amin’ny Tafika ana habakabaka izao noho ny fahalasanan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly Radona Ratiarivelo Ellis. Nambarany fa olona miavaka ary anisan’ny andry iankinan’ny fitondrana ny fanovana ny rafitry ny Tafika ana habakabaka.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.