
Nanao fanambarana tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny tambajotran-tserasera, Rakotonirina Jolce Junior sy i Jean de Dieu (Leda), mpiandry tsatobin’ny Cnaps Sport teo aloha sy tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy, fa hitsahatra tsy hiakatra kianja intsony, izany hoe, tsy handray anjara intsony amin’ny sehatra avo eo amin’ny fifaninanam-pirenena eto Madagasikara.
Anton’izany, raha ny fanambaran’izy mirahalahy, ny hifantohany amin’izay ao anatin’ny asa aman-draharaha sy ny famelomana ny ankohonany. Notsiahiviny fa nandritra ny taona maro, nilalaovany tao anaty ekipan’ny Cnaps sy ny Barea de Madagascar, roa volana ihany izy ireo ny hany mba miaraka miaina amin’ny vady aman-janany. “Mafy izany, saingy tsy maintsy natrehina sy niaretana”, hoy i Leda.
Tsiahivina fa taorian’ny tsy nahatafakatra ny Barea de Madagascar ho an’ny “Chan 2021”, tanterahina any Kameronina ny 16 janoary ho avy izao, nahazo fanakianana mafy tamin’ny mpankafy i Leda. Nanomboka teo, tsy henoheno sady tsy tazana intsony ny lehilahy ary izao nampirina ny “godasse”-ny izao. Nisy akony goavana teo amin’ny fiainana naha mpilalao azy koa ny naharava ny Cnaps Sport ka nitambarany amin’ny Disciples FC.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.