Hifantoka any Kameronina avokoa ny mason’i Afrika iray manontolo, manomboka ny asabotsy 16 janoary ka hatramin’ny 7 febroary ho avy izao. Hotanterahina any mantsy ny andiany fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihaninia na ny “Chan 2021”. Ekipa 16 ny hiady ho lohany amin’ity. Raha atotaly, mahatratra 32 ny fihaonana hotanterahina amin’ity.
Hanokatra ny fihaonana ny Liona tsy voafolaka Kameronina sy i Zimbaboe, ho an’ny sokajy A. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianja Ahmadou Ahidjo ao Yaounde. Heverin’ny rehetra fa hanantombo ny Kameroney, hilalao eo an-kianjany, amin’ity. Na izany aza, ekipa efa zatra fihaonana goavana ihany koa ny Zimbaboeanina ka tsy azo ambaniana. Aorian’io, hifanandrina ihany koa ireo ekipa roa ao amin’ity vondrona misy an’i Kameronina ity, ny lalaon’i Mali sy i Borkina Faso.
Hitohy ny alahady 17 janoary izany ka anjaran’ireo ekipa ao amin’ny sokajy B indray no miakatra kianja. Hanokatra izany ny fihaonan’i Lybia sy i Niger. Adin’ny samy Kongoley kosa ny faharoa: ny fifandonan’ny RD Kongo sy i Kongo.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.