Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haisoratra malagasy: nivoaka ary hoentina mitety faritra ny boky “Dorehitra”

Haisoratra malagasy: nivoaka ary hoentina mitety faritra ny boky “Dorehitra”

Nivoaka, ny faran’ny herinandro, ny asabotsy teo, ny boky « Dorehitra”, ahitana tononkalo sy riankalo, iarahan’ny poeta efatra mirahalahy: Ranoe, i Sunny Razakamanana, i Vahela ary Rampandry.

Mahasehaka lafim-piainana maro ny votoatin’ny aingam-panahy ao anatin’ny boky. Ao ny mitory fitiavana, ny trangam-piarahamonina, ny fitiavan-tanindrazana, ny resaka politika sy ny karazany… Voaloham-bokatry ny haisoratra malagasy tamin’ity taona ity ny “Dorehitra” na efa ela aza ny nanomanana sy nikononkononana azy. Nosafidina manokana ny “Dorehitra”, hahasarika ny maro ny hakanton’ny haisoratra malagasy. Eo koa ny hoe fahatsapana marina ny zava-misy eny rehetra eny, izay mibaribary, midorehitra… Ny mety sy ny tsy mety… Narindra ho kanto amin’ny alalan’ity boky ity izany. Tsy latsa-danja amin’ireo boky amboaran-tononkalo hafa izy noho ireo mpanoratra azo lazaina ho efa ela niseharana eo anivon’ny literatiora, toa an-dRanoe sy i Sunny Razakamanana, Rampandry. Eo koa anefa i Vahela, izay azo ambara ho nisongadina tamin’iny taona lasa iny, tamin’ny alalan’ilay tononkalony: ” Mandehana mandeha posy any”. Tononkalo mahatsikaiky somary mahitsy mivantambantana nefa ankafizin’ny maro. Marihina fa efa azon’ny rehetra jifaina eny amin’ny mpanoratra ny “Dorehitra”, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook-n’izy ireo avy, ary aoriana kely, ho hita eny amin’ny toerana fivarotam-boky, raha ny filazan’izy ireo.

Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra izy ireo ho fanandratana ny literatiora malagasy. Ezahina hoentina mitety faritra maro ity amboaran-tononkalo dorehitra ity raha ny vinavinan’izy ireo, ary hoentina an-tsehatra ihany koa hanomezana fahafaham-po ny mpankafy haisoratra malagasy.

Narilala

 

Les commentaires sont fermées.