Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andron’ny manamboninahitra: nanamafy ny famerenan-kasina ny Foloalindahy ny filoha

Andron’ny manamboninahitra: nanamafy ny famerenan-kasina ny Foloalindahy ny filoha

Nanterin’ny filoha Rajoelina Andry fa tandroka aron’ny vozona, natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary miaro ny fiandrianam-pirenena, ny Foloalindahy. Mba hanjaka hatrany eo anivonareo manamboninahitra ny firahalahiana, ny firaisankina sy ny fifankatiavana ahafahanareo manantanteraka izany adidy masina ankinina aminareo izany, araka ny nambarany. “Tsy hitsahatra ny hanohana sy hanampy ny tafika amin’ny fomba rehetra hamerenana ny hasin’ny Foloalindahy aho”, hoy izy amin’ny maha filoha faratampon’ny Foloalindahy azy. Niara-nankalaza ny andron’ny 12 janoary natokana ho an’ny manamboninahitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ny tenany ary niarahaba ireo manamboninahitra rehetra manerana ny Nosy koa.

Narahin’ny fanatanjahantena sy ny fiarahana misakafo izany ankoatra ny fomba fanao amin’ny fanomezana “gisa” ho an’ny filoham-pirenena.

Mandalo fiofanana sy fitsipika

Tahaka izany koa ny teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo. Nanome voninahitra koa ny andron’ny manamboninahitra ny Praiminisitra Ntsay Christian. Natolotra ny zandriny indrindra ny fibaikoana sy ny fitarihana ny fotoana, araka ny fomba fanao eo anivon’ny tafika. Nialohavan’ny hazakazaka niarahana amin’ny lehiben’ny governemanta izany. Notsiahiviny tao amin’ny toerana nanaovana ny lanonana: Bataillon de sécurité de la primature – BSP fa miainga avy eo ny fibaikoana ny fiarovana ireo lehiben’ny andrimpanjakana rehetra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. “Midika izany fa olona nandalo fiofanana sy miaina amin’ny fitsipika maro isan-karazany, ary manana ny soatoavina malagasy ny manatanteraka ny fiarovana. Andraikitra lehibe eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny iantsorohan’izy ireo”, hoy izy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.