Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andoharanofotsy: tratra ilay jiolahy nisandoka ho polisin’ny « Brigade criminelle »

Andoharanofotsy: tratra ilay jiolahy nisandoka ho polisin’ny « Brigade criminelle »

Fahasahiana tsotra izao! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny polisin’ny BC sakelika fahefatra (BC4) Anosy noho ny resaka fisandohana andraikitra sy ny fisolokiana ny jiolahy iray 29 taona.

Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisin’ny BC, mpivady mipetraka eny Andoharanofotsy no voafitak’ity jiolahy mpisoloky ity. Ny 5 janoary 2021 lasa teo, sendra nisotrosotro teo amin’ny tsenan’izy mivady ity jiolahy ity. Nilaza fa polisy miasa ao amin’ny BC4 Anosy izy ka tsy nihambahamba izy nivady niresaka ny olana misy amin’izy ireo. Voasoloky tamin’ny alalan’ny MVola izy mivady ka notantaran’izy ireo tamin’ity polisy sandoka ity. Nasain’ilay jiolay ity nanoratra taratasy fitoriana teo no ho eo izy mivady tamin’io fotoana io ary nanome toky izy fa hotadiaviny ireo olona nisoloky ireo. Ny 6 janoary 2021 (ny ampitson’ny nifampiresahana), nilaza ity polisy sandoka ity fa efa hita ilay olona fa any amin’ny faritany no misy azy ka mila vola 2 hetsy Ar handehanana any amin’ilay toerana. Ny 7 janoary 2021, nilaza indray ilay polisy sandoka fa efa tratra ilay olona nosamborina fa mbola misy naman’izy ireo hafa karohina ka mila vola 130 000 Ar hanohizana ny fikarohana.

Nahazoany vola anetsiny maro…

Ny 8 janoary 2021, mbola naka indray vola 1 hetsy Ar tamin’izy mivady ity polisy sandoka ity fa hoe hanaovana sakafo sy saran-dalana hitadiavana ilay olona. Nanomboka tsy natoky ity polisy sandoka ity izy mivady ka nanapa-kevitra hanatona teny amin’ny polisin’ny BC4 Anosy nanamarina raha tena miasa ao tokoa ity jiolahy ity. Rehefa tonga izy ireo, nanontany ireo polisy miasa ao ary teo vao fantatr’izy ireo fa tsy tena polisy io jiolahy io fa nisandoka. Ny andron’io ihany, nametraka fitoriana ao amin’ny BC4 izy mivady. Tsy niandry ela ny polisy fa nikaroka avy hatrany ity jiolahy ity. Natao ny vela-pandrika niaraka amin’izy mivady ka tratra tao an-tranony eny Andoharanofotsy izy, omaly. Niaiky izy fa tena nisandoka ho polisy sy naka vola tamin’izy mivady.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.