
Tanteraka soa aman-tsara, tetsy amin’ny tsangambaton-dRalaimongo Analakely, ny zoma 8 sy ny asabotsy 9 janoary lasa teo, ny tolo-tanana ho fampodiana ny nofo mangatsiakan-dRafalimanana Ferdinand (Gôly be). Hetsika nokarakarain’ny fikambanan’ireo mpilalao fahiny tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy. Nahatratra 3976000 Ar ny vola voangona tao anatin’io roa andro io. Na tsy tratra aza ny lelavola notadiavina, izay mitentina 8000 Euros na 37.600.000 Ar, nalefa any amin’ny vady aman-janany any Frantsa, ny vola azo, araka ny nambaran’i Menakely Ruffin, filohan’ny fikambanana. Na izany na tsy izany, navitrika ireo olona nandrotsaka izay foiny. Nisy ireo nahafantatra azy ary nahita azy nilalao, tao kosa ireo tsy mbola teraka fa naheno ny lazany ka tonga. Nisy ihany koa ireo olon-tsotra nanefa ny anjarany. Ankoatra ny tolo-tanana natao teto Antananarivo, nisy koa ny nataon’ireo mpilalao malagasy, monina any Frantsa ka nahangonana 3000 Euros na 14.100.000 Ar. Teo koa ireo mpankafy tany amin’ny faritra, nanefa ny anjarany tamin’ny alalan’ny kaonty Mvola-n’ny fikambanana mpilalao fahiny. Tsiahivina fa raha tsy tontosa hatramin’ny 15 janoary ny fandefasana azy aty Madagasikara, tsy maintsy alevina any Frantsa, Rafalimanana Ferdinand. Manoloana izany, efa nanolotra fisaorana ho an’ireo rehetra nanampy ny fianakaviany.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.