Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Marodoka: lehilahy hita faty nihantona amin’ny hazo

Hatairana ny an’ny rehetra, omaly, raha nahitana fatin-dehilahy iray manodidina ny 55 taona eo ho eo hita faty nihantona amin’ny hazo tao amin’ny torapasika akaiky ny ivontoeram-pirenena fikarohana ny anaty ranomasina (centre national de recherché océanographique) ao Marodoka fokontany Ambanoro, kaominina sy distrikan’i Nosy Be. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, ny zoma lasa teo no tonga tao Marodoka ity lehilahy ity. Fantatra tamin’izany fa nilaza ho marary izy ka nitady olona hitsabo azy. Tsy fanta-piaviana mazava anefa izy ka tsy maintsy nampahafantarina ny sefom-pokontany tao an-toerana. Nandritra izany anefa, tsy hita intsony izy, kanjo izao hita faty nihantona tamin’ny hazo tao amin’ny tora-pasika ao Marodoka izao. Nohamafisin’ny sefom-pokontany tao an-toerana fa tsy avy ao Marodoka ity niharam-boina ity.

J.C

 

 

Les commentaires sont fermées.