Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Ry Tanindrazanay malala ô !

Ankoatra ny Lalampanorenana sy ny sainam-pirenena dia anisan’ny singa iray miantoka ny fiandrianam-pirenena ny hiram-pirenena. Heloka bevava ny faniratsirana na fanaovana tsinontsinona ny iray amin’ireo. Ny fandikana ny Lalampanorenana, ny tsy fanajana ny saina sy ny hiram-pirenena mandritra ny fampakarana na fampidinana ny saina no tian-ko lazaina amin’izany. Dieny mbola kely dia efa ampianarina any an-tsekoly izany fitandroana toy ny anakandriamaso ny fiandrianam-pirenena izany.

Ny mahagaga anefa dia misy ankehitriny ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana izay tsy mampihatra izany intsony na ny alatsinainy anombohana ny fianarana na ny zoma ifaranany. Tsy misy noho izany ny fianarana ny hiram-pirenena. Mazava hoazy noho izany fa tsy hain’ireo zaza madinika ny hira “Ry Tanindrazanay malala ô!”. Ary tena tsy hainy tokoa moa izany. Zava-doza mananotanona ny firenena izany satria aoriana kely dia ho tantara sisa izany hiram-pirenena izany raha izao no mitohy. Teo aloha teo dia efa saika hadino tanteraka ny andininy faharoa sy fahatelo ary tsy vitsy no tsy mbola mahafehy izany ankehitriny. Rehefa tsy hampianarina anefa dia vao mainka ho loza.

“Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety arenina”, hoy ny ohabolan-drazana. Fotoana izao hamerenana izany hasin’ny Tanindrazana sy ny firenena izany. Nametraka isika fa ho taonan’ny asa ity taona 2021 ity. Ahoana moa no anantenana fa ho afaka hivoatra isika raha izay hiankinan’ny fiandrianam-pirenena aza tsy hay akory? Hanam-pahavononana hampandroso ny firenena ve ny olom-pirenena raha tsy mahafantatra na tsy resy lahatra ny amin’izany izy? “Kajio ny an-tena fa ny an’olo tsy homena”.

 

Mparany

Les commentaires sont fermées.