Ao ny mpiasam-panjakana miasa ara-dalàna, ao kosa ireo azo lazaina hoe zara raha miasa, mandany volam-panjakana fotsiny. Ny mpiasa efa miasa, ny dimy andro ao anatin’ny herinandro aza tsy ampy hamitana ny tokony hatao ; ireo tsy miasa kosa, amin’izy ireo tsy hoe tsy te hiasa fa ny atao any amin’ny minisitera na sampandraharaha no tsy misy. Ao anatin’ny birao iray, mivangongo ahitana olona mihoatra ny dimy. Tonga ao am-piasana, karazana manao izay hahatongavana hita maso fotsiny fa afaka ora vitsy dia tsy hitsy.
Mivangongo amin’ny tanàn-dehibe ny teknisianina. Izay koa ny zava-misy, vitsy amin’izy ireny ny hita any amin’ny kaominina ambanivohitra, na vao miala amin’ny renivohitry ny distrika fotsiny aza. Matiantoka noho izany ny mponina any ambanivohitra tsy mahita teknisianina ilainy, toy ny amin’ny fambolena, ny fampianarana, ny fitsaboana, sns. Tsy hita izany eo amin’ny tamberin’andraikitra ataon’ny fanjakana amin’ny vahoaka maro anisa any ambanivohitra, noho izay tsy fandrindrana ny asam-panjakana izay ihany.
M.C
Les commentaires sont fermées.