
Loza iray, loza roa… Mby ao an-tsaina amin’izany ny fihanaky ny valanaretina Covid-19? Ao anatin’ny ady hatrany izao; eny, na efa natsahatra aza ny hamehana ara-pahasalamana. Tsy mbola foana tanteraka ny tsimokaretina Coronavirus: any ho any ihany… Tsy hita maso tsinona. Noho izany, mila mailo sy mitandrina ny rehetra. Nahoana?
Miseholany na toa mihamirongatra aza ny fiparitahan’ny tsimokaretina Coronavirus toy ny any Mahajanga, ohatra. Misy indray ny marary. Loza iray, loza roa? Sanatria, tsy hoe miditra amin’ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa toy izay nitranga tany amin’ireo firenen-dehibe sasany tato ho ato. Na izany aza, mila malina sy miambina…
Mampieritreritra be ihany ny fanazavan’ny tomponandraikitra fahasalamana momba ny soratr’aretina any: mafimafy no ho ny teo aloha, haingana kokoa. Na izany aza, tsy voamarina ho tsimokaretina Coronavirus hafa no ho ny teo aloha. Mila fanadihadiana? Tsy tafiditra rahateo eto Madagasikara ny endrika vaovao amin’io tsimokaretina io.
Tsy famendrofendroana izany, tsy fampitahorana, tsy fifampiahiahiana. Tsy azo lavina: tsy mbola resy tanteraka ny valanaretina. Mety hirongatra amin’ny fotoana na ny faritra tsy ampoizina? Tsy fibitabitahana koa izany amin’ny fahatokisan-tena amin’izay mitranga sy atao hoe manana sy tsara hery fiarovana, na efa misy fanefitra sy fanafana…
Sao tsy fitandremana na fitompoan-teny fantatra, sanatria, ny anton’izany rehetra izany? Na ny antsirambina kely ataon’ny olom-bitsy no miteraka loza lehibe sy maharitra ho an’ny maro… Nefa vitsy ve izao ny miaro tena amin’ny fanajana ireo sakana ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny tsimokaretina? Na kely ny antsirambina amin’izany…
Miara-mahita izay iainana amin’izao etsy sy eroa ny rehetra. Tsara hiverenana na hamafisina ny fiarovan-tena. Mbola tsy mahafa-bela ny valanaretina. Ilaina ny fahaizana miara-miaina amin’ny aretina? Toy izay atao amin’ny tazo, ny gripa, ny pesta…
Rafaly Nd.
Les commentaires sont fermées.