Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Miondan-kena

Mbola resabe tsy mety vita ny momba ireo volamena 73 kilao mahery kely, nokasaina haondrana an-tsokosoko any ivelany, ka tratra tao Afrika Atsimo. Raha ny tsiliam-baovao dia efa voasambotra avokoa izany ireo dimy lahy tafiditra amin’ity raharaha ity. Ireo telolahy tany Afrika Atsimo sy ilay iray teto an-toerana no tratra voalohany. Ny iray fahaefatra, ilay voalaza fa zanaka mpanao politika, dia re fa nitolo-batana teny amin’ny zandarimaria.

Miantso ny hanaovana famotorana sy fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha ity ny maro, indrindra moa fa ireo mpisehatra mafana fo ao amin’ny Facebook. Hikoha-maina aza moa hatao ka mainka fa misy sery hanilahana! Tsy azo lavina fa misy mitombina ny voalazan’izy ireo fa ny azo atao dia ny matoky ny fitsarana amin’izay mety ho tohin’ny raharaha.

Fa ny isan’ny nanaitra ny maro tamin’ity raharaha ity dia ny lanjan’ireo volamena sarona tany Afrika Atsimo ireo. Ny tiana ahatongavana dia hoe, hay ve ka natory ambony harena isika hatramin’izay? Ny firenentsika anefa dia voasokajy ho ao anatin’ireo firenena tena mbola sahirana. Vao volamena fotsiny anefa izany voalaza izany fa maro tsy tambo isaina ireo loharanon-karena misy eto amintsika ka azo trandrahana mba hivoahan’ny firenena amin’izao toerana misy azy ankehitriny izao.

Mahagaga tokoa! Ny hery enti-mamokatra ananantsika. Ny harena ambanin’ny tany, ny an-dranomasina sy anaty rano, tsy lanilaniana. Tsy lazaina intsony ireo karazam-boly fanondrana marobe. Mionda-kena sy matory amin’ny kidoro feno vola isika. Saingy ny olana hatreto dia tsy mipaka any amin’ny fiainan’ny Malagasy 20 tapitrisa mahery izany. Andriamanitra nanome fa i Balita angamba no tsy nambinina. Tsy hoe loharano ka tsy hanam-paharitana akory anefa ireo. Fotoana izao.

 

Mparany  

Les commentaires sont fermées.