Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitry ny Fahasalamana: tsy hisy ny fihibohana, mandray andraikitra ny mpiasan’ny fahasalamana

Minisitry ny Fahasalamana: tsy hisy ny fihibohana, mandray andraikitra ny mpiasan’ny fahasalamana

 “Manana vina hanangana CSB 119 ny fanjakana ny taona 2021 fa efa tafapetraka ny vato fehizoro ho an’ny CSB 59 tao anatin’ny volana vitsivitsy”, hoy ny minisitry ny Fahasalamana, ny profesora Rakotovao Jean Louis, raha nitafa tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana omaly. Nisaotra ny mpiasa rehetra izy tamin’ny vokatra azo ary mbola manantena ny fahavononan’ny tsirairay satria tsy nasiana ny fihibohana faharoa fa matoky azy ireo ny vahoaka. Na tranga iray monja amin’ny Coronavirus aza no voatily, vonona ny hetsika « coup de poing » mirotsaka an-tsehatra. Raha mihoatra ny efatra kosa ny tranga, miditra an-tsehatra ny « coach” ny toerana nitragan’ny valanaretina ary midina ifotony mijery ny zava-misy na mandritra ny fety izany satria nisy ny baiko efa nomen’ny minisitra momba izay.

Manentana ny rehetra koa ho mailo ny tenany ka hiaro tena sy hampitombo ny hery fiarovana amin’ny fihinanana CVO +. Zava-dehibe ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana, indrindra ao anatin’ny fety samihafa izay mahavory ny fianakaviana maro.

Amin’izao fotoana izao, ny toeram-pivarotana fanafody sy ny trano fivarotana lehibe ary ny banky sisa mampihatra ny fepetra ara-pahasalamana hentitra. Ny sisa, goragora avokoa.

Vonjy          

Les commentaires sont fermées.