Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vary “stock”: tsy tafavoaka ny 550 Ar ny kapoaka

Vary “stock”: tsy tafavoaka ny 550 Ar ny kapoaka

Vitsy ny mpivarotra madinika mivarotra vary “stock” raha ny eny amin’ny fokontany eto an-dRenivohitra. Nambaran’izy ireo, fa sarotra ny ahitana mpivarotra  mpamongady mivarotra ny vary ho 79.000 Ar ny iray gony (50 kilao), ka amidy 550 Ar amin’ny mpanjifa ny kapoaka, izany hoe 1.925 Ar ny iray kilao, araka ny toromariky ny fanjakana. Ho an’ny mpivarotra iray eny Amboditsiry, nolazainy fa manodidina ny 100.000 Ar  ny nividianany ny iray gony teny amin’ny mpamongady teny Andravoahangy, miampy ny saran-dalana. Hany ka voatery 600 Ar no nivarotany ny kapoaka (2.100 Ar ny kilao).

Anisan’ny ahitana tranga toy izao eto an-dRenivohitra izao koa ny any Toliara. Niaiky ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana fa tsy afaka mivarotra ho 550 Ar ny mpaninjara fa voatery ho 600 Ar ny kapoaka.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.