Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Valanaretina Covid19: nampidina ny tahan’ny fanaovam-baksiny

Valanaretina Covid19: nampidina ny tahan’ny fanaovam-baksiny

Fantatra nandritra ny dinika nataon’ireo mpisehatra amin’ny fanaovam-baksiny, omaly fa nisy fiantraikany ratsy tamin’ny tahan’ny fanaovam-baksiny teto Madagasikara ny fisian’ny valanaretina covid19.

Manodidina ny 88% io tahan’ny fanaovam-baksiny io manerana ny Nosy, kanefa 95% ny tanjona nokendrena.

Betsaka ny antony nahatonga ny lesoka fa anisan’ny tena hita taratra ny fisian’ny valanaretina, izay nanakana ny fivezivezena sy ny fitetezana tanàna ka tsy nahafahana nanao vaksiny ny ankizy.

Anisan’ny hita taratra izany ho an’ny faritra Analamanga, Vatovavy Fitovinany, Diana sy Sava ary Atsinanana. Hanarenana ny banga, ilaina ny midinika mialoha hahafahana mametraka ny paikady rehetra entina hanatsarana ny tolotra fanaovana vaksiny eny anivon’ireny fotodrafitrasa ara-pahasalamana ireny.

Heverina fa hisy fiantraikany mivantana amin’ny sosialim-bahoaka ny fanatsarana, izay iarahan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.

Tarigetran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka , Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis ny ahazoan’ny tsirairay misitraka ireo tolotra fahasalamana sahaza azy ary mifanaraka indrindra amin’ny velirano fahadimy napetraky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.