
Araka ny fampitam-baovao avy any amin’ny Jirama, ny 2 desambra teo, nisy nangalatra ny fantson-drano mirefy 12 metatra teny amin’ny toby famokaran-drano, ka 6 metatra ny simba nandritra ny fangalarana.
Tapaka, araka izany, ny famatsian-drano eny Ambohimangakely sy Ambohimahitsy, izay efa nisitraka ny rano fisotro avy amin’ity toby vaovao mamokatra 100 m3 isan’ora ity. Efa am-perinasa manolo ny very sy ny simba ny Jirama mba hiverenana amin’ny laoniny ny famatsian-drano any amin’ireo toerana ireo.
Vao vita volana vitsy lasa izay ny toby famokaran-drano eny Amoronakona, mamatsy rano ny tapany atsinanan’Antananarivo, ka izao misy misompatra izao sahady.
Etsy an-kilany, vao mainka tsy ampy ny famatsiana rano fisotro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Kely ny tosiky ny rano, zara raha mande izany rehefa amin’ny alina.
Njaka A.
Les commentaires sont fermées.