Tra-tehaky ny mpitandro filaminana vao tsy ela akory ny jiolahy raindahiny miisa 11. Ikoizana amin’ny vaky trano, ny vono olona, ny fanakanan-dalana ao Amboasary Atsimo ireo olon-dratsy. Ny roa amin’ireo, voarohirohy tamin’ny vono olona tao Sampona. Ny jiolahy efatra, nanao fanakanan-dalana teny amin’ny lalam-pirenena faha-13. Olon-dratsy dimy kosa nanao fanafihana tao Antanambe-Amboasary Atsimo. Taorian’ny fanadihadiana, natolotra ny fampanoavana ao Taolagnaro ireo jiolahy malaza ratsy.
Les commentaires sont fermées.