
Hanala vela amin’ny Sporting Kansas City ny Minnesota United Football Club, ilalaovan’ilay Malagasy, i Romain Metanire amin’y lalao manasa-dalana hiadiana ny MLS, ny zoma izao.
Hotanterahina, ny zoma ho avy izao, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny “Major League Soccer” (MLS), sokajy D1, any Etazonia. Anisan’ireo hiatrika izany ny Minnesota United Football Club, ilalaovan’ilay Malagasy, i Romain Metanire. Hifandona amin’ny Sporting Kansas City ry zalahy amin’izany. Hampiantrano ny lalao amin’ity ry zareo Kansas, hotanterahina ao amin’ny kianja Sporting Park.
Hanala vela amin’ity fihaonana ity ry Metanire. Raha tsiahivina ny lalao telo nifanandrinan’ny ekipa roa tonta, tamin’ity taona 2020 ity, indray mandeha ihany ny Minnesota United ny hany mba nandresy an-dry zareo Kansas City. Tsy maintsy hiady mafy izany ity vodilaharan’ny Barea de Madagascar, izay tena andrin’ny ekipan’ny Minnesota United, ity. Marihina fa nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ihany koa ny Minnesota, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka tamin’ny taon-dasa.
Tsiahivina fa efa imbetsaka voahosotra ho vodilaharana mendrika indrindra any Etazonia i Romain Metanire ary efa tafiditra tao anaty “équipe type” hatrany.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.