Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fametrahana ny vidin’entana: harahi-maso ny mpivarotra

Nihaona tamin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny taozavatra (Mica) ny lehiben’ny tsena ary ny fikambanan’ny mpanjifa, ny 27 novambra teo. Nodinihina ny ezaka tokony hatao, hanatsarana ny sehatry ny fanjifana, ho tombontsoa hiarovana ny mpanjifa. Tapaka fa natomboka ny talata 1 desambra teo ny “hetsika vidin’entana”, ary haharitra volana vitsivitsy.

Manentana sady mampahafantatra ny mpanjifa ireo tompon’andraikitra voalaza etsy ambony ireo fa mila mahafantatra, mahay manamarina, mampitaha ny vidin’entana ny mpanjifa tsirairay. Mila apetraky ny mpivarotra tsirairay ny takelaka milaza ny vidin’entana. Azon’ny mpanjifa atao tsara ny manamarina, na ny manontany ny tapakila manamarina ny fitaovam-pandanjana ampiasain’ny mpivarotra. Andraikitry ny fanjakana sy ny solontenany kosa ny mangataka ny faktiora amin’ny mpaninjara sy ny mpamongady ny entana amidiny sy ny fomba nahazoany avy.

Tanjona ny hisian’ny mangarahara hisorohana ny fanararaotana.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.