Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Business forum” Toliara: namantarana ny olan’ny mpandraharaha

“Business forum” Toliara: namantarana ny olan’ny mpandraharaha

Natao nandritra ny telo andro teto Toliara, tamin’ity herinandro ity, ny hetsika toekarena, “Business Forum Regional”. Nanatanteraka azy ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny taozavatra (Mica), niaraka amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep) sy ny Sampana misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana EDBM. Mamatsy vola ny fanatanterahana azy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad).

Tafiditra ao anatin’ny velirano fahafito nataon’ny filoha Rajoelina ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny indostria.

Nahafahana namantarana ny olana mianjady amin’ny mpandraharaha sy ny orinasa eto Toliara ity fotoana ity. Singanina amin’izany ny halafosan’ny angovo ka mahatonga ny mpandraharaha tsy tonga mampiasa vola aty Toliara. Tsy mahazo sehatra bebe kokoa ny seranan-tsambon’i Toliara. Feno anefa ny fepetra ahafahana mampandroso ny aty an-toerana ka tokony handraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra matotra amin’ny fananganana fotodrafritrasa tena ilaina, toy ny fametrahana lalàna mifehy ny faritra fambolena indostrialy (zone agro-industrielle), ohatra. Hampitombo ny fampiasam-bola manerana ny distrika ato amin’ny faritra Atsimo Andrefana izany. Eo koa ny mampiavaka ny faritra amin’ny fizahantany, ny jono, ny fambolena ary indrindra, ny harena an-kibon’ny tany.

Antenaina fa ainga vao ho an’ny faritra ity hetsika ity.

CMS sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.