Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anosy: tratra ireo mpanefy vy nangalatra ny jiron’ny Jirama

Anosy: tratra ireo mpanefy vy nangalatra ny jiron’ny Jirama

Mitohy ny hetsika famongorana ny fangalarana na ny fampiasana tsy ara-dalàna ny herinaratra na ny ranon’ny Jirama. Natao ny hetsika, omaly teny Anosy, tamin’ny alalan’ny sampandraharaha miady amin’ny hosoka, ny halatra, ny fiarovana ny fidiram-bola, ny fanadihadiana, ny foibe teknika herinaratra Antananarivo, sns, ao amin’ny Jirama (CLAVF, DPRLF, Daci, DTEA). Miisa 16 ny mpanjifa notsirihina sy nohamarinina, misehatra amin’ny fanefena vy (soudure) ny ankamaroany. Voamarina fa tsy ara-dalàna ny 11 amin’izy ireo, toy ny kaontera tsy misy “disjoncteur”, ny fitsinjarana sy ny fizarana herinaratra amin’ny trano hafa. Eo koa ny kaontera nesorina nefa mandeha ihany ny herinaratra, misy ny fanindronana ny taribia hisintonana herinjiro, sns. Notapahina avy hatrany ny famatsiana herinaratra an’ireo tsy nanara-dalàna ireo ary mandeha ny fanadihadiana lalina ataon’ny Jirama sy ny mpitandro filaminana ary ny fitsarana.

Faritra na toerana maro ny efa nanaovan’ny Jirama hetsika fidinana ifotony toy izao. Maro koa anefa ireo minia manohy ny asa ratsiny. Efa nisy teny Itaosy, teny Anosizato, teny Ankatso, teny Ambondrona, ary izao teny Anosy izao. Manomboka fantatra koa ny sokajin’ny mpanjifa mangalatra herinaratra, ankoatra ny mpanjifa tsotra. Sarotra ny ady, na izany aza, tsy mikely soroka ny Jirama, mamongotra, miatrika ny ady amin’ireo mpangalatra. Misy rahateo ny mpiasan’ny Jirama, matetika, anisan’ny mitsikomba amin’ny fangalarana herinaratra na jiro toy izao.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.