Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto

Hivelatra ny fampianarana valiha

Hanao dingana lehibe ny Valiha Académie na ilay foibe fikarohana sy fampianarana momba ny mozika. Hiitatra amina toerana maro, tsy ao an-dRenivohitra ihany ny fampianarana valiha tontosain-dry zareo, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. « Maro ireo mangetaheta te hiverina sy hampiroborobo ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy kanefa tsy afaka manao izany noho ny tsy fisian’ny mpampianatra », hoy hatrany ny mpitantana ity foibe ity.

Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny foibe Valiha Académie ny hanatanteraka ny fampianarana valiha any amina faritra maro manerana ny Nosy sy any ivelan’i Madagasikara. « Noho io tanjona io indrindra no nahatonga anay hamolavola sy hanofana mpampianatra nandritra ny efa-taona », hoy ny tompon’andraikitry ny fampianarana.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.