Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

>Karate-FMK: Toy ny efa fanao isan-taona, hisy ny fampiakarana grady, karakarain’ny federasiona malagasy ny karate. Ny 19 desambra izao ny fantatra fa hanatanterahana izany, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny federasiona. Raha ny fandaharam-potoana, amin’ny 8 ora maraina ny hanomboka ny fiofanana ary hisy ny fanadinana kosa ny hariva amin’ny 4 ora. Toy ny mahazatra, tsy miova ny saran’ny fiofanana, raha toa ka maimaim-poana kosa ny saran’ny fisoratana anarana.

“Espoirs Sportifs de Tuléar”: Tsy tapaka fa misy hatrany ny fifaninanana ara-panatanjahantena, karakarain’ny fikambanana EST. Ho an’ny taranja basikety, izay isan’ny be mpankafy sy ananan’ny tanoran’i Toliara traikefa, hisy indray ny lalao , ny faran’ny herinandro izao, ao amin’ny kianjan’ny Prefektiora sy ny kianja mitafo. Sokajy U14 lahy sy vavy hatramin’ny sokajy Vétérans ny handray anjara ary  klioba maro ao Toliara ny ho tazana amin’io fotoana io.

 

Nangonon’i Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.