Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Tournoi Firaisankina»: lasan’ny FC Samourai ny amboara

Kitra – «Tournoi Firaisankina»: lasan’ny FC Samourai ny amboara

Nifarana, ny alahady 29 novambra teny amin’ny kianja “synthétique” Andohalo, ny “Tournoi Firaisankina”, taranja baolina kitra sy tsipy kanetibe, nokarakarain’ny Original Pro Sport, notarihin’i Roova, ilay mpanakanto miangaly gadona mavesatra. Nivoaka ho mpandresy teo amin’ny baolina kitra lalaovina olona fito ny FC Samourai Isoraka, nandresy ny tarika Roova, tamin’ny isa 5 no ho 3. Ho an’ny tsipy kanetibe indray, lasan’ny tarika Rabanane, nisy an’i Banane sy i Andry ary i Gôgôsy, ny fandresena rehefa nandavo an’Amboasarikely, tamin’ny isa 11 no ho 4. Tsiahivina fa fokontany efatra ny nandray anjara tamin’ity “Tournoi Firaisankina” ity: Isoraka, Amboasarikely, nanana ekipa telo, ny Fasan-dRainiharo, Ampantsakana, niampy ny tarika Roova. Notolorana amboara sy medaly ary lelavola ny ekipa voalohany sy faharoa raha lelavola fotsiny ny fahatelo. Ankoatra izay, niantohan’ny Original Pro Sport avokoa ny fanamiana nentin’ireo ekipana baolina kitra nifaninana. Tanjon’ny fifaninanana ny hisarihana ny tanora amin’ireo toerana ireo, tsy ho voasarika any amin’ny zava-mahadomelina sy ny fidonanam-poana ary hitaizana azy ireo amin’ny fanatanjahantena. Hitohy any Alakamisy Fenoarivo indray ny lalao tanterahin’ny tarika Roova sy ny Original Pro Sport, ny asabotsy ho avy izao.

 

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.