Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    EIC Corporation: mampiroborobo ny kolontsain’ny fandraharahana sy fampiasam-bola  

    EIC Corporation: mampiroborobo ny kolontsain’ny fandraharahana sy fampiasam-bola  

    Tokony ho notanterahina teto Madagasikara ny fivoriana andiany fahafito maneran-tany  momba ny lalana hafa ho an’ny famatsiam-bola (Sifa) miaraka amin’ny EIC Corporation, izay fikambanana iraisam-pirenena mampiroborobo ny kolontsaina fandraharahana sy ny fampiasam-bola. Hetsika nanamarihana izany, nasolo ny fandraisana ny fivoriana (tsy azo notanterahina noho ny fisian’ny valanaretina) ny fikarakarana famelabelaran-kevitra ho an’ny mpianatra tao amin’ny lycée technique professionnel Ampefiloha sy ireo avy amin’ny oniversite. Niompanan’ny fifampizarana ny fampianarana avy eny ifotony ny fahaizana mampiasa vola. Trandrahina ny talentan’ny mpianatra ary ampianarina izy ireo hamolavola tetikasa avy amin’ny talentany avy. Raha voamarina fa mahomby ny tetikasa dia ampiana ireo mpianatra hanatanteraka izany, hoy ny filohan’ny EIC Madagasikara, i Shariff  Bonnie, ny faran’ny herinandro teo teny Ampefiloha.

    Fotoana hiantsoana ny olona hampiasa vola eto amintsika ny fivoriana iraisam-pirenena Sifa ary efa eo am-pananganana ny rafitra malagasy ny mpiandraikitra. Firenena 50 no mpikambana ary ahitana olona 2 500 mandrafitra ny EIC Corporation miorina any Côte d’ivoire. Sehatra ahafahan’ny mpamatsy vola sy ireo mpitantana orinasa mitady famatsiam-bola mifanerasera izany. Misy klioba ho an’ny fampiasam-bola 330 ao anatin’ny EIC Corporation afaka mamatsy vola tetikasa samihafa. Ny tapany hariva, nanao fivoriana ampitain-davitra niaraka tamin’ireo mpikambana vahiny ny teto Madagasikara.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.