Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby vehivavy – «Tournoi Orange Women’s 2020»: tompondaka ny ekipan’ny SCB Besarety

Tontosa teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny asabotsy 28 sy omaly alahady 29 novambra lasa teo ny fifaninanana rugby ho an’olona 7, sokajy vehivavy “Tournoi Orange Women’s 2020”. Voahosotra ho tompondaka ny SCB Besarety rehefa nandresy ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa tery 12 no ho 10. Marihina fa tsy resy mihitsy ny SCB nandritra ity fifaninanana ity. Ny ekipan’ny 3FB no lavon’ny Besarety, tamin’ny isa 19 no ho 17 teo amin’ny manasa-dalana raha ny RCTS Soavimasoandro kosa no resin’ny FTM, tamin’ny isa 10 no ho 5. Tanjon’ny fifaninanana ny hitiliana ireo mpilalao vaovao hanatevina ny Makis de Madagascar, hiady toerana amin’ny fifanintsanana ho an’ny Lalao Olympika tanterahina any Japon 2021. Raha tsy misy ny fiovana mpilalao, 21 no hantsoina amin’izany. Nahatratra 12 kosa ireo ekipa nandray anjara tamin’ity ka anisan’ny vaovao ireo mpianatra avy eny amin’ny Oniversite sy ry zareo avy etsy Andravoahangy.

Toy izao ny filaharan’izy ireo, taorian’ny fifanintsanana.  1-SCB Besarety ; 2-FTM Manjakaray ; 3-3FB ; 4-RCTS Soavimasoandro ; 5-FTFA Antohomadinika ; 6-JSM Mahamasina ; 7-FTVL Lalamaty ; 8-Asut 2 ; 9-Asut 1 ; 10-AJS Tsiadana ; 11-Sab-Nam ; 12-2AM Andravoahangy.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.