
Nisokatra, nanomboka ny fiandohan’ny volana oktobra 2020 teo, taorian’ny fihibohana, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena any Nosy Be. Kaompania telo ny miantoka ny zotra ana habakabaka iraisam-pirenena, ny Ethiopian Airlines, ny Air Austral ary ny Air Madagascar. Nitondra fanazavana, omaly, ny minisitry ny Fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro (MTTM), Randriamandranto Joel, sy ny mpiara-miasa akaiky azy. Azo lazaina fa misy ny voka-tsoa azo, na eo aza ny aretina Covid-19 andiany faharoa any amin’ny firenen-dehibe. Nanomboka ny oktobra 2020, niisa 2 350 ny mpandeha tonga tany Nosy Be. Manodidina ny 10 hatramin’ny 130 isaky ny zotram-piaramanidina ny mpandeha, manome salanisa 80 isan’andro, ka mpizahatany ny antsasany, 40.
Mikatona ny fandraisam-bahiny lehibe
Nilaza ny minisitra fa mivahiny any amin’ny toeram-pandraisam-bahiny madinika, manana efitrano latsaky ny 50, ireo mpizahatany ireo. Feno any amin’ny 50% ihany koa ny trano fandraisam- bahiny ka azo lazaina fa vokatra tsara ho an’ireo mpandraharaha sy ny toekarena any an-toerana, amin’ny alalan’ireo seha-pihariana samihafa mifandraika amin’ny fizahantany.
Nomarihiny anefa fa mbola mikatona ireo trano fandraisam-bahiny lehibe, manana efitrano mihoatra ny 100, toy ny Andilana Beach, ohatra, satria mamono antoka azy ireo ny havitsian’ny mpanjifa.
Marihina fa tsy mbola misokatra ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena vaovao eny Ivato. Nilaza ny minisitry ny MTTM, herinandro vitsy lasa izay, fa anisan’ny antony ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, hiatrehana ny Covid-19, satria maro ny fiomanana sy ny fiatrehana amin’izany, raha hosokafana ity seranam-piaramanidina ity.
Njaka A.
Tsy mahazo mivoaka an’i Nosy Be ireo mpizahatany. Mila fahazoan-dalana manokana kosa ny vahiny mamita iraka sy asa eto Madagasikara, rehefa hiditra aty Antananarivo na ny faritra hafa.
Les commentaires sont fermées.